Fifidianana : vonona haka toerana maro ny TGV Atsimondrano

Hatao amin’ity taona 2024 ity ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny ho solombavambahoaka. Nanao fihaonana teny Andoharanofotsy, ny alahady 11 febroary teo, ny mpikambana ao anatin’ny antoko TGV distrika Atsimon­drano. Nitarika ny fotoana ny solombavambahoaka, Ratsi­va­hiny Andry, notronin’ny ben’ny Tanàna ary ireo mpitarika antoko isaky ny kaominina sy ny mpikambana anaty antoko.
Tsiahivina fa anisan’ny nahazo vato marobe ny distrika Atsimondrano nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nihoatra lavitra noho ny vato azony tamin’ny fifidianana 2018. Namba­ran’ny depiote Ratsivahiny Andry, fa nahatonga izany ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana tao amin’ny distrika. Singanina amin’ireny ny sekoly (EPP, CEG, Lycée) manara-penitra marobe nantsangana, ny hopitaly manara-penitra, ny tohodrano, ny lalana, ny fizarana fitaovam-pambolena, sns. Teo koa ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena (Atsimondrano Cham­pion’s League) ny ara-kolontsaina (Atsimondrano Gospel Song) sy ny maro hafa.
Nisy ny korana sy fiaraha-mifaly nentin’ny mpitarika sy ny mpikambana ao anatin’ny antoko TGV Atsimondrano, nifampiarahabana noho ny taona vaovao. Anisan’ny vahiny nasaina tonga nanatrika ny lanonana teny Andoharono­fotsy, i Maman Olga, renin’ny filohan’ny Repoblika.

Nj. A.

Partager sur: