Mois : février 2024

Ralambomahay Toavina : “Fotoana hakana ny lehiben’ny fanoherana izao”

“Fotoana izao hakana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra”, hoy ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste, Ralambomahay Toavina, manoloana toe-draharaham-pirenena. Izay no hahazoana mihaona sy miresaka mivantana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Prai­minisitra, hahazoana miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny RNM sy ny TVM. Tena marefo ny mpanohitra, raha vao tsy miady […]

Tsy fandriampahalemana : feno polisy ny sisin’ arabe ao Toamasina

Tsy andro tsy alina fa saika manemitra ny lalana rehetra hatreny amin’ny lalam-pasika sy elakela-trano manerana ny fokontany maro eto an-drenivohitr’ i Toamasina ny polisy. Ho fanatrarana ny hetsika 100 andron’ny fandriampahalemana ny anton’izany, izay tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Araka ny baikon’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean […]

Behenjy – RN7 : nisedra olana ireo mpitatitra sy mpampiasa lalana

Tapaka ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Fefiky ny rano ny tanànan’i Behenjy, omaly. Sahirana ireo mpampiasa lalana sy ny mponina. Mijohy ny orana ka miakatra ny rano izay miteraka tondradrano. Vokatr’izany, difotry ny rano ny lalam-pirenena fahafito ao Behenjy, hatramin’ny omaly. Tapaka ny fifamoivoizana noho ny fiakaran’ny rano izay nahatratra hatramin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nampiomana ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, fa ahina ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina any amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, ho an’ny roa andro voalohany. Hikisaka any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa izany manomboka rahampitso. Efa nivoaka ny tetiandro […]