Mois : février 2024

Fonjamby: tompondakan’ i Afrika i Rosina

Nihofahofa indray ny sainam-pirenena malagasy, tany Egypte, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, taranja fibatana fonjamby. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 49kg. Medaly volamena 3 no indray noraofiny, teo amin’ny “arraché” 74kg, ny “Epaulé jeté” 95kg, ary ny “total olympique” 169 kg. Zava-dehibe ho […]

Tia Kitra FC sy Jet Kintana : mitaky ny fampiharana ny lalàna ny filohany

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) » , taranja baolina kitra. Miantso ireo mpitantana ny klioba Jet Kintana Itasy sy ny Tia Kitra Toamasina, manoloana ny fampiharan-dalàna. Nampahafantarina, omaly, teny Anosy fa mihintsana any amin’ny diviziona faharoa ny Tia Kitra FC Toamasina sy ny Jet Kintana Itasy. Manoloana […]

VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina ho 4,5% ny fitomboana ara-toekarena amin’ity taona 2024 ity. Anisan’ny tena hananana ny lanjany ny seha-pihariana matanjaka, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany indostrialy, ny fambolena ary ny fizahantany. Misy ny paikady manokana ataon’ny fanjakana hanatrarana ireo tanjona ireo. Mitohy ny fanofanana ireo mpandraharaha mpiompy trondro manerana ny Nosy. […]

Vondrona eoropeanina : mamaly ny fenitra takina ny lavanila malagasy

Nahomby ny dinika! Afaka miditra malalaka eo amin’ny tsena eoropeanina ny lavanila taorian’ny adisisika nataon’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgard sy ny ekipany. Ny alatsinainy teo, namoaka didy momba ny fatra farany ambony amin’ny tahan’ny «ni­­co­tine» hita amin’ireo vokatra sasantsany […]

Pnud : tantsoroka hanatanterahana ny IEM

Atao eto Antananarivo, omaly sy anio, ny atrikasa momba ny fiaraha-miasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny tombana ny Fandaharanasa fiaraha-miasa (CPD) ho an’ny taom-piasana 2021-2023 sy ny vinavina ho an’ny taona 2024-2028. Nisolo tena ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), […]