Mois : février 2024

Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza

Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimieram­pi­renena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]

Aretin’ny taovam-pisefoana : mifarimbona amin’ny hopitaly maro ny CHU Andohatapenaka

Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka. Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao. Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny […]

Ski alpin-«Mondiaux junior 2024»: laharana faha-56 i Theo Montaigne

Nifarana ny sabotsy teo, tao St Jean d’Aulps Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja fikorisana an-dranomandry, ski alpin, sokajy junior, na ny fis junior «World ski championships». Nanana solontena roa niatrika izany i Mada­gasikara. Azo lazaina fa teo ho eo ny vokatra azon’izy ireo. Anisan’ iza­ny, i Montaigne […]

“Pureplay Foot-ball League” (PFL): hanohana ny CFEM mandritra ny 2 taona ny FMF

Taorian’ny fanovana ny anaran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League, (OPL)” ho “Pureplay Foot-ball League, (PFL)”, niroso tamin’ ny fanohanana ny CFEM (As­so­ciation des clubs de football élites de Madagascar) ny federasiona malagasy (FMF). Notanterahi­na ny zoma lasa teo, teny Ivandry, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany, Andriamanam­pisoa Alfred, filohan’ny […]