Mois : février 2024

TARATRY ny KANTO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny he­tsika «Takalo dinika amorom-patana 2024». Lahadinika ny hoe “Taom-baovao: Riba ela sy vao”, notarihin’ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala. Isaky ny sabotsy voalohany sy alahady fahatelo amin’ ny volana no anaovana ny he­tsika ary an-jotra sy azon’ny rehetra atrehina amin’ny alalan’ny fisoratana […]

Tana Gospel Choir: niavaka ny fahatsiarovana ny faha-20 taona

Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny fampisehoana nanokafana ny faha-20 taonan’ny tarika Tana Gospel Choir (TGC). Fanokafana fotsiny moa iny fampisehoana iny fa ny 19 mey 2024 no fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany. Araka ny nambaran-dRabearisoa Fidy, tomponandraikitry ny tarika, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely no nanatanterahin’ny TGC ny […]

“Rdj Mozika”! Ceasar, mpanakanton’ny taona 2023

Fotoan-dehibe ho an’ny mpanakanto. Tontosa omaly ny “RDJ 2023”, nankasitrahana ny mpanakanto noho ny sanganasany izay nofidian’ny mpankafy ho mendrika. Nisongadina indrindra tamin’izany i Ceasar. “Iiiii… Na iza na iza maheno izay, dia mamaly ho azy hoe «Aaaa». Rariny loatra raha nahazo ny «Titre de l’année» tamin’ny «Rdj Mozika 2023», […]

Ambohidratrimo Marovatana: vohitra nanana ny naha izy azy tanatin’ny tantara

Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohid­ra­trimo, ankoatra ny maha anisan’ny ao anatin’ny vohitra roa amby folo azy. Efa anisan’ny tao ana­tin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’ izany rehetra iza­ny. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko tamin’ izany andro izany, ny vohitr’Ambohidratrimo Maro­vatana. Ny mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambola­masoandro no nanjaka […]