Nanolotra fifanarahana ho an’ny Tetezamita, ny fampihavanana sy ny fanovana, ny Vondrona Ampefiloha, ahitana an-dry pasitera Tsarahame, Raharinaivo Andrianatoandro, Soava Andriamarotafika, ny Jly Razakarimanana. « Refesina amin’ny rano, jiro, fandriampahalemana, fahasalamana, fanabeazana, asa, sakafo ny fanovana », hoy izy ireo.
Enina ireo laharam-pahamehana sady paikadin’ny minisiteran’ny Fanavaozana natolotra ny Bianco hiadiana ny kolikoly, afakomaly. Eo ny fisorohana ny kolikoly, ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fitaovana niomerika ary ny fametrahana ny mpiasam-panjakana ho fitaratra amin’ny fahitsiana.
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny Humaniste et ecologiste, amin’ny alalan’ ny mpikambana, Randriamiadamampianina. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny tokony hifidianana ny lalàmpanorenana. « Tsy fitsapankevi-bahoaka no hatao ary tokony hivondrona handrafitra izany ireo mitovy foto-kevitra », hoy izy.
Hapetraka amin’ny fomba ofisialy ny mpiara-mitantana ny VFM ao Fianarantsoa. Voatendry hisahana izany andraikitra izany ny depiote Rajoelina Seth sy ny loholona teo aloha sy efa minisitra, Andriamandavy Rina. Hotanterahana anio, ao ambonin’ny Rex any an-toerana, izany lanonana izany.





