Mpitondra teo aloha : “Azo enjehina na milefa aza” hoy i Clément Jaona

“Raha firenena manana fifandraisana ara-pitsarana amin’i Madagasikara ny mpam­panoa lalàna na ny mpitsara mpanao famotorana tompon’ny antontan-taratasin’ady dia afa-manao fanadihadiana momba azy ireo. ” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Clément Jaona, manoloana ny fahazoan’ny Tendrom-
pitsarana iadiana amin’ny kolilkoly (Pac) mitsara ireo mpitondra ambony teo aloha, araka ny fanapahan’ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC); eny, na any ivelany aza izy ireo. Ny
fitsarana eto Madagasikara no manoratra any amin’ny mpi­tsara mpanao famotorana any amin’izay firenena misy azy ireo: azo enjehina hatrany na aiza na aiza. Hanaovana didy fampisamborana iraisam-pirenena izy ireo amin’izany ary hanaovana famotorana. Izay vao mangataka ny famere­nana an-tanindrazana. Atao izay raha vao misy fiaraha-miasa ara-pitsarana. Azo enjehina hatrany na milefa aza. Izay no anaovana ny Interpol, ohatra.
Mila mazava amin’ny va­hoaka. Satria mpitondra am­bony ireo olona ireo. Tokony ho Fitsarana avo (HCJ) no mitsara azy. Rehefa tonga tany amin’ny Pac ny raharaha, nangataka ny hevitry ny HCC izy: azony tsaraina sa tsia? Namaly ny HCC hoe azon’ny Pac tsaraina izy ireo. Satria heloka ivelan’ny asam-panjakana no anenjehana azy ireo. Tsy asam-panjakana ny fa­naovana kolikoly sy ny fivarotana harem-pirenena tsy ara-dalàna. Raha asam-panjakana amin’ny maha mpitondra azy ireo ny raharaha vao mankany amin’ny HCJ. Mahafain­gana ny raharaha ny fitsaran’ ny Pac azy ireo. Satria fitsa­rana ara-politika ny HCJ, fa mbola mandalo fankatoavan’ ny Antenimierampirenena ny fampiakaran-draharaha aminy. Fitsarana tsotra kosa ny an’ny Pac.

R. Nd.

Partager sur: