Praiministra Ntsay Christian: « Mijoro ny Tafika Malagasy matoa milamina ny firenena»

Nahitsy ny hafatra nomen’ny Praiminisitra (PM) lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ho an’ny Tafika Malagasy, omaly. « Samy tompon’andraikitra isika fa ny sehatra no samihafa », hoy izy.

Nikatona tamin’ny fomba ofisialy, omaly hariva, ny fivoriana niarahan’ ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Mala­gasy, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana. Naharitra roa andro ny fivoriana izay nentina nijerena manokana ireo paikady samihafa manoloana ireo ambana misy eto amin’ny firenena. Nanome voninahitra izany famaranana izany ny PM, Ntsay Christian, izay namelabelatra sy nitondra hafatra mahitsy ho an’ireo tomponandraikitra misahana ny fibaikoana. « Mirongatra ny fakana an-keriny tamin’ireo faritra maro, toy ny teto Ana­lamanga, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Menabe hatrany Melaky. Noho ny hetsika na­taonareo dia nahitam-bokany izany. Nisy ny paikady nahazoana izany vokatra izany. Nihena ny tsy fandriampahalemana tamin’ireo faritra ireo », hoy izy. Nambarany fa fanamby lehibe ny fijerena ireo ambana misy eto amin’ny firenena. Ny fitantanana anatiny eo anivon’ny Tafika Mala­gasy, izany hoe, ny fanarahan-dalàna. Fame­hezana ny olana eny ifotony. Nitondrany ohatra ny resaka firaisana tsikombakomba amin’ ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy. « Mila sahy ianareo mandray andraikitra amin’ireo olona manao ny tsy mety », hoy izy. Eo koa ny ambana amin’ny ranomasina manodidina amin’ny maha Nosy an­tsika. « Isika manana ny fiandrianam-pirenentsika. Ahoana ny hanamafisantsika ny fiarovana ny ranomasin­tsika io. Misy koa ny ambana momba ny fiovaovan’ny toetr’ andro », raha ny fanazavany hatrany. Nanamafy ny mini­sitry ny Fo­loalindahy fa tohi­zana hatrany ny fanitsian-drafitra, ny fametrahana ny Tafika Malagasy ho modely, ny ady amin’ny koli­koly, ny fijerena ny hanatsa­rana hatrany ny lafiny maha olona, ny fanatsarana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fanaraha-maso ireo fitaovam-piadiana.

Jean Claude

Partager sur: