Gadra nandositra : roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Jiolahy roa no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Mandritsara, omaly. Gadra nandositra izy ireo ary mbola nanohy ny asa ratsiny indray izao tratra izao.

Nodarodarohan’ny fokonolona, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ireo roa lahy nangalatra om­by tao amin’ny fokontany Ambalantsotry, kaominina am­ba­­nivohitra Ambodiamon­tana Kiangara, distrikan’i Mandri­tsa­ra, omaly. Naharay fampahafantarana avy tamin’ ny mponina tao Androka, toerana nangalaran’ireo roa lahy omby ny fokonolona. Tratra tao Amba­lan­tsory ireo mpandroba nitondra ireo omby roa halatra, io alahady maraina io. Nentin’ny hatezerana vokatry ny fandrobana mahazo azy ireo, ataon’ ny dahalo, ny mponina ao an-toerana ka samy nidaroka ireo roa lahy voasambotra ireo. Tetsy ankilany, nively tamin’ny hazo, nitora-bato ny fokonolona. Voa mafy teo amin’ny lohany ireo mpangalatra ary nitarika tamin’ny fahafatesany izany.

Mamita sazy dimy taona
Manana sazy dimy taona avokoa izy roa lahy ireto talohan’ny nahasamboran’ny fokonolona azy ireo. Namboly katsaka sy mangahazo tao amin’ny Camp Pénal Nosim­bary izy ireo saingy nandositra. Namoahan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana taratasy fikarohana ireo olon-dratsy ireo, nanomboka ny 19 marsa teo, taorian’ny tsy fahitana azy. Nanamafy izany, ny lehiben’ny fonja ao Man­drit­sara, Raharimandimby Luder, fa tena voafonja tokoa ireto lavon’ny hatezeram-bahoaka ireto. Mponina tao amin’ny toerana nangalarana ny omby ihany ny iray. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: