SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina rahampitso sy ny alakamisy 28 marsa, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Sokajy minimes, cadets, juniors ary seniors no hifaninana mandritra izany.

Taranja lomano. Hotanterahina eny amin’ny dobo filomanosana Ampefiloha, manomboka ny alakamisy 28 marsa izao, ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara. Efa manomboka tonga eto An­ta­nanarivo ireo mpandray anjara rehetra avy any amin’
ny faritra.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy “Jeunes”, taranja Echecs. Niakatra ny haavo teknikan’ny mpandray anjara ary nisongadina ny klioban’ny IKM sy ny CEMI, tamin’ity fifaninanana ity.

Hotanterahina anio, any Comores, ny fihaonan’ny ekipam-pirenen’i Comores sy i Angola. Lalao izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”. Tsara marihina fa ny ekipa nasionaly kaomorianina no hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar, ny volana jona ho avy io. Tsiahivina fa resin’i Comores 4 no ho 0 i Oganda, ny zoma lasa teo.

Partager sur: