CCI Soisa : fampiroboroboana ny toekarena maitso

Nandalo tao amin’ny Foiben’ny varotra iraisam-pirenena (CCI) any Geneve Soisa, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Fontaine Max Andonirina, ny 22 marsa teo. Nandray azy, ny talen’ny CCI, sampana Afrika, Aissatou Diallo sy ireo tale samihafa ao amin’ity foibe ity. Tanjona tamin’ny fihaonana ny tombana hijerena ny tohana azon’ny CCI hatao ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fandaharanasa mifandraika amin’ny toekarena maitso mipaka amin’ny rehetra. Toy ny fampifanarahana ny toekarem-pirenena amin’ny lalàna iraisam-pirenena, toy ny fandrarana ny fanondranana eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ny vokatra avy amin’ny fanimbana ny ala, ohatra.
Noresahina koa ny atao hoe toekarena mihodina, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora, ny fanodinana indray ny fako avy amin’ny indostria fanamboarana lamba, ohatra. Fotoana nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CCI sy Madagasikara ity natao tany Geneve ity.
Fikambanana iraisam-pirenena manohana ny orinasa tsy miankina any amin’ny firenena andalam-pandrosoana ny CCI. Tanjona ny hampiroborobo ny varotra iraisam-pirenena sady hitondra fampandrosoana ao aminy.

Njaka A.

Partager sur: