Tanàn-dehibe: mamokatra ny telo ampahefatry ny harinkarena faobe

Ilana fanavaozana goavana ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Hampiroboroboana ny toekarena sy hampihenana ny fahantrana eto Madagasikara no anton’izany.

Tsy mahatosika ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fampihenana ny fahantrana eto Madagasi­kara ny tanàn-dehibe. « Mamokatra ny telo ampahefatry ny harinkarena faobe (PIB) eto amin’ ny firenena anefa ny tanàn-dehibe ary ny 44 % n’ny PIB dia vokarin’Antananarivo Reni­vohitra avokoa », raha ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Haingana kokoa ny fitombon’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara raha oharina amin’ireo tanàna any amin’ny firenena afrikanina atsimon’i Sahara. Anisan’ny antony navoitran’ny Banky iraisam-pirenena fa: « tsy misy ny drafi-pandaminana mazava amin’ny fanitarana ny tanàna. Tsy ampy na ny famatsiam-bola na ny fandrindrana mba hamaliana ny fitombon’ny fangatahana asa mendrika, trano, fotodrafitrasa amin’ny filana fototra ao an-tanàna. Mirobo­robo ivelan’ny rafitra ara-dalàna avokoa ny 60 % n’ny asa an-tanàn-dehibe ». Mampanahy ny fironana satria maherin’ny antsasaky ny mponina ao amin’ ny firenena no mety hipetraka an-tanàn-dehibe amin’ny taona 2036, ary nitombo be ny fahantrana tao an-toerana nandritra ny folo taona. « Tsy ijanona ny fitombon’ny tanàn-dehibe satria isany mandray mponina be indrindra izy ireny”, hoy ny minisitry ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. « Raha tsy izao isika dia ma­metraka lamina hanatsarana ny tanàna fa indrindra ny fampiasam-bola mety atao dia ho sahirana afaka fotoana fohy”, hoy hatrany ny fanazavany.

Tondrozotra
Mandroso vahaolana efatra sosona ny Banky iraisam-pirenena hitondrana vahaolana amin’ny fitantanana ny tanàn-dehibe eto amintsika. Mila hamafisina ny politika sy ny paikady nasionaly ho fampandrosoana ny tanàn-dehibe izay ilana fomba fiasa mahomby sy mifanaraka amin’ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary isaky ny kaominina. Apetraka ihany koa ny politika nasionaly ho an’ny fanavaozana isan-karazany, hanatsarana ny tolotra omen’ny kaominina sy ny fanajariana ny tany. Hampi­tomboina ny fampiasam-bola sy ny famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa ary tolotra ma­haritra ho an’ny tanàn-dehibe. Hatsaraina, hoy ny Banky iraisam-pirenena ny andrimpanjakana mandrindra ny fanajariana ny tanàn-dehibe.

Henintsoa Hani

Partager sur: