INDRAY MIJERY

Haparitaka manerana ny hopitaly manerana ny Nosy ny fitaovana antsoina hoe, scope multiparametrique, miisa 750. Ahafahana manara-maso tsara ny marary sy manampy ny mpitsabo izany. Eo koa ny fitaovana fijerena ny fiasan’ny fo na electrocardiogramme (ECG), miisa 120. Ny sampana vonjy aina sy ny sampan-draharaha fameloman’aina no ametrahana ireo fitaovana ireo.
Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any avaratra atsinanan’ny Nosy iray manontolo ato anatin’ny roa andro manaraka, vokotr’ilay rivodoza Gamane. Hahazo vahana ny alondrano ateraky ny varatraza any amin’ny morontsiraka atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy.
Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny delegasionan’ny Frankofonia. Nanao jery todika ny asa vita tamin’ny andiany voalohany amin’ny tetikasa “École et de LAngue Nationale” (ELAN) sy ny fanatanterahana ny andiany faharoa ny roa tonta. Eo ihany koa ny fandaharana “Initiative pour la Formation À Distance des Maitres” (IFADEM) izay manome lanja ny fampianarana hampitain-davitra.
14 ny tetikasa notohanan’ny CARE amin’ny fandaharanasa “Feministe en action” amin’ny distrika telo. Samy nanana ny tetikasany izy ireo ary nidina ifotony niaraka nijery ny fizotry ny tetikasa ny tomponandraikitra ao aminy. Afapo tamin’ny tetikasa niarahana amin’ny Afham izy ireo, satria nihoatra lavitra noho ny vina ny vokatra.

Partager sur: