Telma : nihena ny saran’ny internet

Anisan’ny firenena tsara tambajotram-pifandraisan-davitra aty Afrika i Madagasikara. Eto amintsika koa no mora indrindra ny saran’ny internet.

Nidina ny saran’ny internet atolotry ny Telma, manomboka anio 28 marsa. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa rehetra mampiasa ny tambajotra na aiza na aiza misy azy araka ny filany avy. Efa marolafy rahateo ny ampiasana ny internety amin’ny finday smartphones, amin’izao vanim-potoanan’ny niomerika izao, nefa takatry ny rehetra. Afaka ampiasana azy ny finday manana tanjaka 4G, «I FEEL PRIME», mora indrindra aty Afrika, azo ampiasana internet tsara kalitao. Tsia­hivina fa nahazo ny loka “Ookla Speedtest Award 2023” ny orinasa Telma, noho ny hatsaran’ny kalitaon’ny tambajotra internet ampiasainy.
Mampiroborobo ny toekarena ara-niomerika ny fahafahan’ny rehetra mampiasa ny internet. Isan-karazany ny fomba azo atao (application) aminy, toy ny fifanakalozana ara-bola, ny sehatra samihafa (fanabeazana, fahalalana vao­vao, ….). Eo koa ny tolotra niomerika amin’ny alalan’ny internet, toy ny varotra (hividy na hivarotra), ny fifanakalozam-baovao na antontam-baovao, ampiasaina amin’ny alalan’ny finday rehetra. Hiroborobo ny fandraharahana, ny orinasa madinika, ny tanora vao hanangana orinasa na tetikasa (startup), ka ho mora fantatra sy hiparitaka ho an’ny besinimaro sy ny mpanjifa.

Mpikirakira informatika
Tsiahivina fa manohana ny «Sekoly 42», tambajotra sekoly informatika maneran-tany, amina firenena 30, ka anisany i Madagasikara, ny Telma. Ao anatin’izany ireo mpikirakira informatika «développeurs» malagasy. Vonona hatrany ity orinasa ity mampirisika ny finiavana sy ny talentan’ireo mpisehatra tsy ankanavaka mba ho azon’ny rehetra ampiasaina ny teknolojia vaovao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: