Tsenan’Andravoahangy: mizana 21 sy vato mizana maro nogiazana

Hentitra. Vato mizana manodidina ny 50 isa sy mizana 21 tsy ara-dalàna no nogiazana avy hatrany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitry ny tse­nan’Andravoahangy sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, ny talata teo. Hetsika izay natao hiarovana ny mpanjifa sy ho fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana samihafa. Mbola miparitaka eny amin’ny tsena ny fitaovam-pandajana tsy ara-dalàna. Velon-taraina manoloana ny zava-misy izay mazàna miverina matetika. Noho izany,
nentaniny ireo mpivarotra teny Andravoahangy ka no­mena 15 andro hitondrana ireo fitaovam-pandanjana tsy mbola nandalo fitsarana eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny refy sy lanja (SML).

Fenitra
Miandraikitra ny «vignette» sy manara-maso ireo fitaovam-pandajana samihafa ampiasana ny SML. Ankilan’ izay, misy ireo mpivarotra tsy manana «vignette». Ity farany izay mahatonga sakana ho an’ny fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra.”Efa nahazo fe-potoana isika nitondrana ireo fitaovam-pandanjana ireo ho tsaraina. Ankehitriny mbola tsy voatsara izany. Lasibatra noho izany tsy fanaraha-dalàna izany ireo mpanjifa”, hoy ny tale ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC), Rakotonirina Dina. Vonona hifanome tanana
amin’ny rafi-panjakana hatrany ireo tomponandraikitry ny tsena ary hanohy ny fanentanana eny anivon’ireo mpivarotra. Naneho ny fahavononany hanamarina ny fitaovam-pandanjana eny amin’ireo tomponandraikitra misahana izany i Hery, mpivarokena eny An­dravoahangy.

Henintsoa Hani

Partager sur: