Tsy fandriampahalemana: Tsimponin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana

Manao ezaka goavana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana. Indrisy ! Mihantsy sy mahasahy azy ireo ny olon-dratsy. Hany ka misy ny lavo am-perinasa.

Vao afakomaly, nisy ilay zandary G2C maty no­tifirin’ny dahalo tao Ankerabe distrikan’i Mainti­rano. Miaramila roa lahy manao asa fampandrian-tany no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana tao Angodongodo, Tanandava Ihosy, omaly. Miasa ao amin’ ny Bataillon d’Infantérie ao Ihorombe izy ireo. Teo am-patsakana rano ireto miaramila ireto no nifanehatra tamin’ireo dahalo avy nangalatra omby. Nitifitra variraraka ny malaso ka niantefan’ny bala ny iray tamin’ireo miaramila. Voa mafy, ka nianjera tamin’ny tany. Tsy nahatsiaro tena. Niezaka namonjy azy ireo namany taorian’izay.
Tafaporitsaka niaraka tamin’ny omby ireo malaso nitifitra azy. Nanao izay ho afany tamin’ny fitondrana azy haingana tao amin’ny CSB II Tanandava ireo namany. Tsy vita tany an-toerana ny fitsaboana. Voatery nentina haingana, tamin’ny helikopteran’ ny Tafika ana habakabakaba mba hanaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Miaramila, Soavinandrina aty An-dRenivohitra izy. Mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ny miaramila sy ny zandary miampy ny fokonolona mba hanatrarana ireo andian-dahalo.
Marihina fa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Ho­mi koa ilay zandary iray voa­tifitry ny dahalo tao Am­bo­rompotsy Ambatofinan­dra­hana.

J.C

Partager sur: