Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa. Anisan’izany ny “Raharaha Razanamahasoa Christine”. Nohitsiny fa efa tena tafahoatra loatra ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy hisy hanaiky lembenana izany intsony eto. Efa sangy mihoatra ny loha izao fihoaram-pefy ataon’ny fanjakana izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa tsy anatin’ny IRD intsony ny filohan’ny Antenimierampirenena. Efa nesorin-dry zareo tamin’ny herintaona noho ny fijoroany amin’ny fahamarinana sy ny fiarovana ny vahoaka. “Efa tsy IRD intsony izy. Tokony handalo dingana koa izany fa tsy amin’izao nanaovan-dry zareo azy izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny tokony hiandrasana ny fotoam-pivoriana amin’ny volana mey raha hanala depiote izany. Filohana Andrimpanjakana koa anefa Razanamahasoa Christine. Matahotra ry zareo ary tsy matoky ireo depiote namany. “Efa nanandrana nandrava ny birao maharitra fa resy… Tokony ho notsapaina amin’ny fifidianana eny Tsimbazaza raha ekena ny hanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena tsy ho depiote”, hoy izy. Nanteriny fa olom-boafidin’ny vahoaka maro anisa any Ambatofinandrahana Razanamahasoa Christine nefa esorin’olom-bitsy manatitra taratasy eny amin’ny HCC. Nijoro amin’ny fahamarinana izy manoloana ny fanjakana amin’ny fihanaky ny kolikoly, ny olana amin’ny sosialim-bahoaka… Tohanan’ny Tim Firaisankina izany, araka ny nambarany.
Synèse R.




