Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ny mahery fo eny Avaratr’Ambohitsaina ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Tsy zava-poana akory ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana fa hotohizana”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa iraisan’ireo mahery fo milevina eo amin’izany toerana izany ny ady ho an’ny fahafahana sy ny fitiavan-tanindrazana ary koa ny fijoroana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena. Zava-dehibe ho an’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy izany ary antony iarahana amin’ny vahoaka sy hanohizana ny tolona, araka ny nambarany. “Vao mainka aza hihamavaivay izany manomboka izao. Hitantsika ny tantara teto amin’ny firenena sy ny taty Afrika”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa ho an’ny taranaka izao ady sy tolona tohizin’izy ireo izao. Tsy mbola tanteraka ny fahafahana sy ny fiandrianam-pirenena ka niantsoany ny vahoaka ho sahy hijoro hatrany.
Anisan’ny teny an-toerana Raobelina Andry, Razafinjoelina Tahina ary Ratsietison Jean Jacques.
Synèse R.




