FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny baikon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka hatrany ny fitondrana. Napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina, amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Tsy maintsy midina ifotony koa ireo mpikamban’ny governemanta.

Iharan’ny ramatahora ny milaza ny marina ka tsy azo ekena, araka ny nambaran’ny fikambanana tanora “Jeune dynamique”. “Mijoro izahay tsy noho ny filohan’ny Antenimiera fa ho an’ny fahamarinana”, hoy izy ireo. Nohitsin’ity fikambanana ity fa tsy hita taratra ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Nisongadina tamin’ny tatitry ny 100 andro ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny famoahana pasipaoro ho an’ny Diaspora. “Vokatry ny fametrahana lamina vaovao sy ny fiaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny Filaminana anatiny izany”, hoy ny minisitra, Rasata Rafaravavitafika. Nihena ho iray volana ny famoahana izany raha enim-bolana taloha.

Nidina ifotony tany avaratry ny Nosy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Asa vaventy niaraka tamin’ireo teknisianina. Nojeren’izy ireo tamin’ izany ny fahasimban’ny lalana Ambilobe-Vohemar. Mampanantena ny avy ao
amin’ny minisitera fa ho vitaina ao anatin’ny 24 ora ireo lalana simba rehefa midina ny rano. Asa vonjimaika ihany aloha no hatao mba hamerenana ny fifamoi­voizana.

Partager sur: