Mois : mars 2024

Tsemboka alohan’ ny mievoka: Saro-piaro amin’ny tsy azy ny Malagasy

Nametrahan-Janahary lova sarobidy ny Malagasy sy i Madagasikara. Ny mahavariana, anefa, fatra-pilingilingy amin’ny fampiasana ny an’ny hafa izy ireo. Mivolon-ko tompony. Mpanao indran-draikitra… Misonenika amin’ny tsy azy. Saika tratran’io tranga io ny ankamaroan’ny sehatra sy ny fiarahamonina manontolo. Manana ny antsa, kalo, batrelaky, salegy, sns, ny hira malagasy, saingy, tsy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiakatra kianja rahampitso, amin’ny Lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny Malagasy mpilalao tenisy. Efa vonona tanteraka ny atleta raha ny filazan’ ny mpanazatra. Marihina fa anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena, i Andraina Voavy Mitia, vehivavy mpilalao, nahazo ny laharana fahatelo izy tamin’ny Fifaninanana Afrikanina U18. Notontosaina teny Ivato, ny alahady 10 […]

“Youzou Smatchin Orange” : hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana “Youzou Smat­chin Orange”, andiany faha-10, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra. Tena nafana tanteraka ny lalao ampahavalon-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasi­na, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana, anio, ny ekipa tompondaka tamin’ny andiany farany, ny […]

Judo-Lalao Afrikanina: hiditra amin’ny ady isan-tarika anio

Nifarana omaly, ny fifaninanana taranja Judo, ho an’olon-tokana, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Mbola hiatrika ny fifaninanana isan-tarika anefa ny solontena malagasy ho amin’ny anio izay mbola miandrandra ny hahazo medaly. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ireo judokas malagasy niatrika ity lalao Afrikanina ity, teo amin’ny […]