Mois : mars 2024

Fifaninanana kabary : nomena lamba vita fomba ny nandresy

Nanaovana fifaninanana maro samihafa ny hetsika fankalazana ny 8 marsa teny Ambohidratrimo. Nampiavaka izany ny fanasongadinana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny vehivavy sy ny fifaninanana ara-kolontsaina, toy ny kabary sy ny vakodrazana. Valo ireo nandray anjara ta­min’ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra. Efatra ny teo anivon’ny lalao basikety ary 4 ihany […]

Antsiranana : mila olona hitondra ny hetahetany

Niavaka ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, tany Antsiranana, ny 8 marsa teo. Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanam-behivavy maro, toy ny filaharambe, “Carnaval”, sy ny hetsika sosialy. Nisongadina koa ny fikambanana Diego Miray, izay niorina ny taona 2009. Koa, handray anjara amin’ny sehatra politika ny fikambanana amin’izao […]

Tomban’ezaky ny FIDS : nihazo an’i Bongolava ny MFA sy ny MDG

Anisan’ny faritra nandray anjara tamin’ny FIDS (Forum interrégionale sur la défense et la sécurité) andiany voalohany, notanterahina tany Morondava, ny faritra Bongolava. Mba ho fanaraha-maso sy fanaovana ny tomban’ezaka miompana amin’izany, nidina ifotony ireo tomponandraikitra momba ny fiarovana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy […]

INDRAY MIJERY

Natao tany Fenoarivo Atsinanana ny atrikasa fampiofanana ireo ekipa avy amin’ny foibe tily, niaraka amin’ny BNGRC sy ny UNICEF, faritra Analanjirofo, ny herinandro teo. Lohahevitra maromaro no noraisina nandritra ny fampiofana, ny mahakasika ny “WASH” sy “Nutrition” ary ny “GRC”. Nitsidika ny trano fonenan’ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina, ny minisitry […]

Centre Rassoul Akram : hizara sakafo ho an’ny olona 5 000

Manomboka anio ny volana masina ramadany, volana manan-danja ho an’ny mpino silamo eto Madagasikara sy maneran-tany. “Volan’ny fifehezan-tena ny volana ramadany, sady natao hifanampiana sy hifampizarana ho an’ireo mpiara-belona rehetra”, hoy ny cheik Hassan, omaly, teny amin’ny Centre Rassoul Akram, Antohomadinika. Toko­ny hanana fo madio ny mpino ka ilaina ny […]