Mois : mars 2024

Antsirabe sy Fianarantsoa: niofana ny mpitantana ny English Club

Natomboka ao Antsirabe, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa “English Club Moderator Training” ho an’Antsirabe sy Fianarantsoa. Iarahana amin’ny masoivoho amerikanina sy ny fikambanana Ndeha hianatra izahay ary ny Dr Kathleen Malu manatanteraka ny tetikasa. Hisitraka karazana torolalana hampandrosoana ny fampianarana teny anglisy ireo mpitantana ny English Club avy ao Ambatolampy, […]

Ady amin’ny herisetra (VBG) : notoloran’ny talem-paritry ny UNFPA amboara Rajoelina Mialy

Tontosa omaly, teny Anosy, ny dinidinika nataon’ny tomponandraikitra ambony mpanapa-kevitra sy ny mpiray ombon’antoka momba ny fanokanana vola, hanafainganana ny miralenta, izay teo ambany fiahian’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Nanotrona ny fihaonana ny talem-paritry ny Ta­hi­rin’ny Firenena mi­kam­bana momba ny mponina (UNFPA) ho an’i Afrika Atsi­nanana sy Atsimo, Lydia […]

Mpanao asa tanana: sahirana amin’ny fahitana akora fototra

Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy, eny amin’ny vahilava Ambo­hitri­man­jaka, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, ny volana febroary teo. Nitafa mivantana tamin’ireo mpanao asa tanana, sady nijery ny fomba entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Anisan’ny tena nampitaraina azy ireo ny fahazoana akora fototra tsara kalitao. Eo koa ny […]

Airtel Madagasikara: Tambajotra avy amin’ny zanabolana

Nampahafantarina omaly, ny tolotra vaovaon’ny Airtel Ma­dagasikara, ny tambajotram-pifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, nomena ny anarana hoe « Airtel Satellite ». Nila­za ny tale ara-barotra Airtel Ma­dagasikara, Randria­manana Santatriniaina, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpamatsy tolotra avy amin’ny zanabolana. Ahazoan’ny mpanjifa tambajotra tena matanjaka izany hatrany amin’ny toerana tena lavitra, marin-toerana sady tsy […]

Harena an-kibon’ny tany : tafidina 17 800 dolara ny vidin’ny nikela

Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ny roa taona. Araka ny tarehimariky ny Tsena iraisam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), efa nahatratra 32 000 dolara ny taonina ny faran’ny taona 2022, taorian’ny tranga Covid-19. Nidina tsikelikely izany, 26 000 dolara ny janoary […]