Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Anisan’ny hofantenana amin’izany i […]
Mois : mars 2024
Taom-baovao malagasy: nitsofan-drano sy nihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely
Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Kianja masoandro, anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ny lanonana ara-pomba ofisialin’ny Taom-baovao malagasy. Nahitana hetsika maro samihafa mahakasika izany avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. «Taom-baovao hamerenan-kasina ireo fomba amam-panao, entina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny fitahiany, izay nomeny ny firenena sy ny mpitondra. Fotoana nahafahana mandravina ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Hanaovana filankevitry ny minisitra manokana any Toamasina, ny volana avrily izao, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, ny herinandro teo. Anisan’ny anton’izany ny faharatsian’ny fotodrafitrasa sy ny fahalotoan’ny tanàna ary ireo olana samihafa ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Manohy ny asa sosialy ataony ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, […]
Firaisankina: hanao izay hahazoany fandresena
“Miarahaba manokana an’ireo voafidy tao anatin’ny maro mitondra ny fanevan’ny Firaisankina amin’izao fifidianana solombavambahoaka ho avy izao”, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikar (Tim) eo anivon’ny vondrona Firaisankina, teny Faravohitra, omaly, tamin’ny fampahafantarana ny andiany voalohany amin’ireo kandidà solombavambahoaka atolotry ny Tim amin’ny anaran’ny vondrona antoko politika […]
Mitady ho very !
Nankalaza ny Taom-baovao malagasy isika afakomaly sy omaly. Nahafinaritra sy nahavelombolo ery ny mahita ilay hoe: « an’ny tena ». Tsy nahoraka be toy ny fetim-bazaha akory na andro tsy fiasana, toy ny lanonan- dehibe. Ny zava-dehibe, manomboka mamerin-kasina tsikelikely izay mampiavaka azy ilay Malagasy. Indrindra ireo heverina fa manampahefana manokana […]




