Notanterahina ny alahady lasa teo ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League” (PFL), taranja baolina kitra. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Vakinankaratra, teny amin’ ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass. Baolina tokana tafiditr’i Lalaina, tamin’ny alalan’ny “penalty”, ny minitra faha-69 no nitondra […]
Mois : mars 2024
DAKA AN-JORONY: Miezaka sy mitady hevitra mba hiala
Hihazakazahan’ireo mpilalao fahiny na ireo manan-katao amin’izao fotoana izao, ny manangana sekoly ho an’ny baolina kitra. Maniry ohatry ny anana izy eto an-dRenivohitra. Ahitana olona mampianatra kilonga madinika rehefa mety toerana malalaka eto Antananarivo sy ny manodidina. Ao ny tanimbary voatototra, ny tany kely mifefy zara raha mahazaka ankizy 20 […]
Petanky Be Analamanga : hifampitana ireo mpilalao isam-pokontany
Hiavaka ny fanombohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe, ny taom-pilalaovana. Hanome sehatra ireo mpilalao eny anivon’ny fokotany izy ireo ka hifampitana amin’ireo efa sangany. Hampakatra ny lentan’ny fifaninanana no tanjona. Hotanterahina eny amin’ ny kianja Ivato, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 marsa ho avy izao, ny fifaninanana Petanky Be […]
Sombim-baovao
Nanamarika ny Andro iraisam-pirenen’ny vehivavy, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny Makis Ladies, ny zoma 8 marsa lasa teo. Maro ireo hetsika natao tamin’izany. Anisany ny fampianarana ireo vehivavy eny an-toerana sy ny “festival rugby féminin”. Nanainga ny sabotsy lasa teo, teto an-tanindrazana, ireo Malagasy mpilalao tennis lahy sy vavy. […]
“Youzou Smatchin Orange” : niady tanteraka ny lalaon’ny Espa sy ny Esca
Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10. Fifaninanana andraisan’ireo ekipa eny anivon’ny Oniversite izay ahitana sekoly ambony miisa 40. Nafana tanteraka ny andro roa voalohany, tonga marobe ny mpijery manohana ny ekipany. Ho an’ ireo andro roa voalohany, nafana avokoa […]




