Tsy mitsaha-mitombo ! Manomboka mahaliana ny Malagasy ny mitsidika valan-javaboahary. Manana ny anjara birikiny ny fisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany”, nanomboka ny taona 2020. Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, satria nampihisatra ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy teto Madagasikara, ny fisian’ny tranga Covid-19. Araka ny antontan’isa avy amin’ny Ofisim-pirenena ho […]
Mois : mars 2024
Fankalazana ny 8 marsa : tohana avy amin’ny vehivavy mpiasan’ny Star
Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star, omaly. Hetsika “sosialy tomponandraikitra” no nataon’izy ireo, nanome fanampiana ny reny sy ny zaza tany amin’ny toerana miisa 13 (Antananarivo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe, Antsiranana, Nosy Be, Ambanja, Sambava, Toamasina, Morondava, Manakara, Ihosy, Toliara) ahitana ny orinasa. Nizarana […]
Tetikasa Padap : nahatratra 4 360 ha ny velaran-tany voajary
Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Padap ny faritra Analanjirofo. Maro ny fotodrafitrasa vita amin’ny fanajariana ny lemaka sy ny fikarohana lalam-barotra ho an’ny tantsaha. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 sy ny 29 febroary 2024 teo, tany Vavatenina sy Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo, ny Tetikasa ho an’ny famokarana maharitra mitsinjo ny […]
Randriamasinoro Rina : “Misy fetrany sy farany izao”
Niara-nanamarika tamin’ny vehivavy Tim ny Andron’ny 8 marsa, omaly, ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. “Misy fetrany ny fanaovana tsinontsinona antsika io”, hoy izy tetsy Madera Namontana. Nitondra vary sy nizara “yaourt” ho an’ireo ankizy ny tenany tamin’izany. Nifamotoana teny Anosizato izy ireo taorian’ny diabe natao rehefa avy […]
Andron’ny 8 marsa : nitsinjo ireo vehivavy sy zokiolona ny Fimmar
Natao tetsy amin’ny Academica Andohatapenaka ny hetsika sosialy nokarakarain’ ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’ny Andry Rajoelina (Fimmar). Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa izany. Nambaran’ny mpandrindra eo anivon’ny boriborintany I, Andriamaro Toussaint, na i Bôlô, fa maherin’ny 100 ireo renim-pianakaviana nisitraka izao hetsika izao. Ahitana vary, menaka, savony (PPN) […]




