Mois : mars 2024

Firaisamonina sivily: “Mila hajaina ny lalàna”

“Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangarahara, mampiaty ary azo itokiana izahay, ka manolo-kevitra ny hanajan’ny mpiantsehatra rehetra ny lalàna velona sy ireo fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny fanambaran’ny fikambanana 50 eo ho eo, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, afakomaly, taorian’ny atrikasan’izy ireo teny Antanimena, nandritra ny roa andro. Tolo-kevitr’izy ireo ho an’ny fitondram-panjakana ny fananganana ny […]

Fitsaboana maimaimpoana : efa nahavita fandidiana olona 6 500 ny Mercy Ships

Efa nigadona eto amintsika, ao Toamasina, ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Ao anatin’ny fandaminana farampa­rany amin’ny hirosoana amin’ny fandidiana maimaimpoana ireo mpitsabo amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 6 500 ireo efa nandalo, nodidiana maimaimpoana tamin’ ity sambo hopitaly ity teto amintsika, nanomboka ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2023. Anisan’ny anaovan’izy […]

Fifaninanana 8 marsa: lasan’ny vadin’ny polisy ny 5 tapitrisa Ar

Anisan’ny nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, 8 marsa, tetsy Ambohidratrimo ny avy amin’ny faritra Analamanga. Anisan’ny nampiavaka ny hetsika ny fanohanana sy ny fanomezan’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy, valisoa lehibe ho an’ireo fikambanam-behivavy mendrika sy nanao seho niavaka tamin’ny filaharambe sy ny matso. Nibata sy nahazo […]

Fiofanana momba ny teny tanana: mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 nahazo mari-pankasitrahana

Niofana mahakasika ny teny tanana ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 avy amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra mangoro. Notolo­rana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny Akanin’ny Marenina (Akama) 67ha, izy ireo, omaly. Nandritra ny tapabolana ny fiofanana nampanaovin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madaga­sikara (Afham).Vitsy ireo vehivavy marenina manatona tobim-pahasalamana eto Mada­gasikara, raha ny zava-misy. […]

Fiantraikan’ny voina: hofanina ny vehivavy hanana fidiram-bola

“Vehivavy 18 samy manana andraikitra anatin’ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny lafiny maro no mivondrona ao anatin’ny Women Lead in Emergency Risk and Disaster Reduction and Climate Change, taorian’ny fihaonana natao ny volana janoary lasa, teto Antananarivo”, hoy ny filoha lefitry ny Vovonana, Randriamparany Tantely Sarah, afakomaly, teny Anosy. Mpikaroka avy […]