Mois : mars 2024

VAOVAO TAMBATRA

Niisa 9 ny mpiofana mahakasika ny fiompiana trondro, tany amin’ny kaominina Antsakoabe, distrika Antsiranana II, faritra Diana, ny 29 febroary teo. Tany lonaka mamokatra sady ahitana farihy tsy mety ritra miisa 10 any Antsakoabe no nojerena ny ahafahan’ny mponina manajary izany. Miisa 44 kosa ny mpiofana tany Beraketa, distrika Bekily, […]

« Viavy film festival »: Indostrian’ny sarimihetsika

Hatao ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ny hetsika « Viavy film festival » eny amin’ny Canal Olympia Andoha­tapenaka. Manohana azy mivantana ny Canal Plus Ma­dagasikara, orinasa misehatra amin’ny fanapariahana ny fandaharana avoakan’ny televiziona eto an-toerana sy avy any ivelany. Nambaran’Andriamintantsoa Koloina, tale sady mpiara-mitantana ny « Viavy film festival » […]

Airtel Africa sy Cisco : ampiasaina ny teknolojia niomerika NaaS

Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisan-davitra ny vondrona Airtel Africa. Misy ny fiaraha-miombon’antoka ataony amin’ny orinasa Cisco, ao anatin’ny tolotra NaaS amin’ny lafiny niomerika. Mihazakazaka ny firoboroan’ny tontolo niomerika aty Afrika. Tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny orinasa sy ny mpandraharaha. Izany no antony nametrahana ny vovonana, ny Network-as-a-service (NaaS), ahitana ka­razana tolotra samihafa […]

INDRAY MIJERY

Mamarana ny asa fananganana ny tobin’ny mpamonjy voina ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ny orinasa miandraikitra izany amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny oniversite no ahafahana manao ny asa miaraka amin’ny Pnud. Tanjona ny hahafahana mifehy ny afo haingana raha sanatria misy firehetana eny an-toerana. Zana-kazo ananambo, baobab, kily, […]