Ekena fa ny vola no hozatry ny fiainana, araka ny oha-pitenena malagasy. Tsy misy zavatra mandeha tokoa raha tsy eo io singa iray io. Hiankinan’ny seha-pihariana rehetra ny vola saingy manimba zavatra maro ihany koa raha tena omena laka. Anisan’ny miteniteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. […]
Mois : mars 2024
Barea de Madagascar : naverina nantsoina i Carolus sy Abdallah ary Fabien Boyer
Nivoaka omaly, teny amin’ny biraon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao voafantina voalohany hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana “Fenêtre Fifa”. Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao, eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa ». Miisa 33 ireo Malagasy mpilalao nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach […]
Sombim-baovao
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fampiofanana nataon’ny Maître Tantely, tempana mainty, 4eme Dan, taranja Judo. Fiofanana natokana ho an’ny klioba, mpitsara, mpianatra ho mpitsara, izay mbola hitohy ny 8 marsa izao, eny Faravohitra. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fampiofanana ireo […]
JJB-Vonjy Voina : mpitsara sy “Maître de salle” 40 nahazo fiofanana
Niditra tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy 2 marsa lasa teo, ny fiofanana “Sapeurs-pompiers”, ho an’ny mpitsara sy mpitantana toeram-pikotranana, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Manodidina ny 40 ireo tonga namaly ny antso ka niatrika ity fampiofanana nomen’ny Mpamonjy voina eny Tsaralalana ity. Tsiahivina fa tamin’ny 24 febroary no nanatanterahina ny […]
Volley-CCZone 7 : Tompondaka lefitra ny GNVB lahy sy vavy
Nifarana ny sabotsy 2 marsa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Laharana faharoa ny GNVB, lahy sy vavy. Samy tsy nisy tafavoaka teo amin’ny lalao famaranana na ny Gendarmerie nationale de Volley-Ball (GNVB) sokajy lehilahy na ny […]




