Ao anatin’izao fotoanan’ny karemy izao, miatrika ny herinandrom-bokatra ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF), ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Manomboka amin’ity alatsinainy ity izany, ka hetsika maro toy ny fanabeazana, dinidinika, fitorian-teny an-kira sy fanatanjahantena no hanamarihana izany. Lohahevitra mikasika ny fananahana, ny hisantaran’izy ireo ity andro voalohany ity. Rahampitso […]
Mois : mars 2024
Toetr’andro : mitondra orambe ilay andro ratsy
Mivoatra tsikelikely ao atsinanan’ny faritra Sava ilay faritra andro ratsy any avaratry ny Nosy. Omaly, tany amin’ny 200 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohémar no nisy ny foibeny. Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 25km isan’ora. Manodidina ny 45km/ora hatramin’ny 65/ora ny rivotra entiny ary mitondra orana betsaka. […]
Fampianarana ambony : Kendrena ho ara-potoana ny vatsim-pianarana
Tafiditra anatin’ny ezaky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny famahana ny olan’ny mpianatra. Ezahina tsy ho tara intsony ny famoahana ny vatsim-pianarana. Ambetin-tenin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafiarison Andriamanantena, ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nolazainy izany nandritra ny fihaonany tamin’ireo […]
Kitra – EGBM: Sekoly hanofana ankizy ho lasa mpiandry tsatoby
Sambany hisy ny sekoly manofana mpiandry tsatoby eto Madagasikara. Hisokatra manomboka ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja synthètique Betongolo ny Ecole de gardien de but de Madagascar (EGBM). Nanangana izany, Rasolofoniaina Pascal Honoré, mpiandry tsatoby tao amin’ny USJF Ravinala teo aloha ary efa nandrafitra ny […]
Rugby – « Super Coupe 2023 »: lasan’ny FTM Manjakaray ny amboara
Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboaraben’ny “Super Coupe 2023”, taranja Rugby, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Resin’izy ireo tamin’ny isa tery 38 no ho 36 ny Cosfa miaramila. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita fa nifandanja tanteraka ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Ady sahala 21 no ho 21 no nentin’ireto ekipa roa […]




