Mois : mars 2024

VAOVAO TAMBATRA

Mihena hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ma­nampy trotraka ny fisian’ny tahiry ambin’ny famokarana noho ny fiakaran’ny tolotra mihoatra ny tinady. Mandray anjara 4-6% ny harinkaren’i Madagasikara ny orinasa Ambatovy. Mihena 12 000 t ny vokatra lojy fotsy raha toa ka 30 000 t izany teo […]

Fadintseranana : manomboka ny tetikasa ho an’ny mpisotro ronono

Notanterahina ny 1 marsa 2024, teny Ihazolava, kaominina Ambohimandroso, ny fambolen-kazo ho an’ny fianakaviamben’ny fadintseranana malagasy. Zana-kazo fihinamboa miisa 2500 no novolen’ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ity departemanta ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjon’ny hetsika ny hanajarina ny velaran-tany 110 h, izay an’ny fadintseranana, ho toeram-pambolena sy […]

MEH sy Tozi Green : zana-kazo 13 000 nambolena tany Farahantsana

Natao omaly 1 marsa 2024, teny Farahantsana Mahitsy, ny fambolen-kazo niarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny orinasa Tozi Green. Miisa 13 000 ny zana-kazo nambolena. Nitarika ny hetsika ny minisitra MEH, Jean Baptiste Olivier, sy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Tozzi Green, Davide Giachero. Zava-dehibe ho an’ny toby eny Farahantsana […]

Fifidianana Solombavambahoaka : Minisitra maro no mikasa hirotsaka

Tazana matetika eny an-kianja amin’izao, ireo minisitra, araka ny toromarika efa nomen’ny filoham-pirenena, amin’ny tsy tokony hanafanana birao. Fantatra ihany koa anefa fa misy amin’izy ireo no ho anisan’ny hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana Solom­bavambahoaka ho avy io. Anisan’izany, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, izay […]