Mois : mars 2024

Antenimierampirenena : Zana-kazo 4 000 voavoly

Notanterahina ny 1 marsa 2024, ny fambolen-kazo na­taon’ ny Antenimierampirenena. Teny amin’ny kaominina Ampane­va, distrikan’i Manjakandriana no nosafidiana hanaovana izany tamin’ity taona ity. Zana-kazo 4000 no natsatoka nandritra izany izay nahitana frêne, eucalyptus robusta, filao, voandelaka ary eucalyptus citriodoa ary bambou. Ny filohan’ny Antenimi­eram­pirenena, Razanamahasoa Christine no nitarika ny foto […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny: “Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham-pirenena”

Nitondra fanazavana momba ny hevitry ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina mahakasika ny famosirana ny minisitry ny Fitsarana. ”Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham- pirenena”, hoy izy. “Ny fiantsoana an-dRtoa masoivohon’ ny Vondrona Eoro­pe­naina eto Madagasikara teto amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny androany dia na­hazoana namerina fa firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Ma­dagasikara”. […]

Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly

13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste mi­asa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neu­rologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Mane­ran-tany, 50 tapitrisa ny […]

Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel

Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fa­namboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Mo­rondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fi­kambanana Io Renala. Nareni­na ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso. Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny […]

Fiforonana andro ratsy: Tombanana hipaka ao Sava rahampitso

Manomboka mitoetra ny « anticyclone » ao atsimon’i Ma­da­gasikara. Hita taratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa ny ampahan’ilay Zone de convergence intertropicale (ZCIT). Mifandray amin’izay ZCIT izay dia misy faritra andro ratsy any amin’ny manodidina ny 1 500 km atsina­nan’Antsiranana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Araka […]