Mbola hitohy ny orana anio, any amin’ny tendrony avaratra sy morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy. Varatraza no mandrafitra ny toetry ny andro, indrindra rahampitso sy ny alatsinain’ny paka, any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy sy ny afovoantany. Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Gamane sy ny orambe nikija.18 ny olona maty vokatry ny […]
Mois : mars 2024
Fivondronamben’ny eveka : “Hampandeferina aloha ny politika”
“Hampandeferina ny raharaha politika, fa tokony hatao ny fandefasana an’ireo fitaovana sy ireo fanampiana enti-manavotra an’ireo havana any amin’ny faritra avaratra”. Io no hafatra maika nampitain’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien, afakomaly, manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’ny faritra avaratry ny […]
Depiote Andriamampandry: “Tsy hanaiky lembenana intsony isika”
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa. Anisan’izany ny “Raharaha Razanamahasoa Christine”. Nohitsiny fa efa tena tafahoatra loatra ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy hisy hanaiky lembenana izany intsony eto. Efa sangy mihoatra ny loha izao fihoaram-pefy ataon’ny fanjakana izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa tsy anatin’ny IRD […]
Fanamarihana ny 29 marsa : manohy ny tolona ny Kolektifa
Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ny mahery fo eny Avaratr’Ambohitsaina ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Tsy zava-poana akory ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana fa hotohizana”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa iraisan’ireo mahery fo milevina eo amin’izany toerana izany ny ady ho an’ny fahafahana sy ny fitiavan-tanindrazana ary koa […]
Filoha Rajoelina: “Tsy atao tsinontsinona ny tolona natao”
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ireo razambe no fototry ny fampandrosoana. Noho izany, raisina ny faneva hameloma-maso ny hambompom-pirenena “Tsy ekentsika horabirabiana, hohitsakitsahina, atao tsinontsinona ny tolona rehetra natao teto amin’ity firenena ity. Satria nisy aina nafoy teto, nisy fikasana handroso ho amin’ny soa kokoa eto. Zavatra sarobidy loatra ny […]




