Hentitra ny baikon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka hatrany ny fitondrana. Napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina, amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Tsy maintsy midina ifotony koa ireo mpikamban’ny governemanta. Iharan’ny ramatahora ny milaza ny marina […]
Mois : mars 2024
Rajoelina Andry: zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny AGOA
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alakamisy teo, ny fihaonana sy fivoriana notarihin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo mpikambana vitsy avy eo anivon’ny governemanta, sy ny delegasiona mpikambana ao amin’ny «Commite on Ways and Meams». CWM miisa 8 notarihin’i Jason Smith, avy ao amin’ny Kongresy Amerikanina no niatrika izany. […]
Mitomany ny tany
Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Dibo-drano, rava fananana, mitoka-monina ireo nolalovan’ny rivodoza Gamane. Misy ny namoy ny ainy, teo ireo nilaozan’olon-tiana tampoka. Mifanindran-dalana amin’izany, ny faritra hafa, izay handihizan’ny olon-dratsy. Fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana aman-taonany. Firifiry no namoy ny aina ihany koa […]
Nilatsaka ny didin’ny HCC : nesorina tsy ho depiote Razanamahasoa Christine
Nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana! Nivoaka afakomaly hariva ny fanapahana noraisin’ny HCC momba an-dRazanamahasoa Christine sy Razafimahefa Herimanana. Nesorina tsy ho solombavambahoaka intsony Razanamahasoa Christine, araka ny didy nivoaka. Nambaran’ireo mpitsara avo fa azo raisina sy mitombina ny fitorian’ny IRD ka ambara ny fanalana azy tsy ho solombavambahoaka intsony. […]
TSELATRA
Jiolahy raindahiny lavon’ny zandary tao Marirano, fokontany Ambodiakondro, kaominina Ambohijanaka, ny alakamisy 28 marsa teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io sy ny namany. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Mpanao taxi-moto maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny tetezan’Ankolomaka, kaominina Talata Miandrandra, distrika Arivonimamo, afakomaly […]




