Mois : mars 2024

MPANOHANA ny fitondrana : «Handraisana fepetra Razanamahasoa Christine»

Tohivakana! Nanao fanambarana avokoa ireo antoko sy fikambanana ary vononana miara-dia amin’ny fitondrana, omaly. Lasibatra ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Anisan’izany ireo eo anivon’ny IRD sy ny depiote mpanohana ny fitondrana ary ny Irmar. Namba­ran’izy ireo fa tsy azo ekena velively ny fambolena korontana eto amin’ny firenena amin’ny endriny rehetra. […]

Mankany mankany …?

  Mandeha mankaiza marina ity firenentsika ity. Tsy hita ny teny ilazana ny fidangan’ny vidim-piainana. Tena tsy mitsahatra andro aman’alina fa mirimorimo izaitsizy. Tena mahakivy ny mahita ilay kapoakam-bary efa mananika ny 1 000 hatramin’ny 2 000 Ariary, arakaraka ny faritra. Toraka izany ny siramamy, misy efa 7 000 Ariary […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty rano tetsy amin’ny digue Anosipatrana, omaly. Ankizy nilalao no nahita zavatra hafahafa ka nampandre ny manodidina. Nesorina tao anaty rano ilay vatan-dehilahy izay efa tsy nisy aina intsony. Ankizy telo lasan’ny dahalo ka natao takalonaina tao Antsenakely, Foroanarina, distrikan’Anjozorobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady […]

Ambohimalaza : Ramatoa hita faty, nesorina ny masony

Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny kaominina Ambohima­laza, distrikan’i Port Berger, faritra Sofia, ny alahady teo. Renim-pianakaviana iray ity hita faty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity. Raha ny fahitana ny razana, notetitetehin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny vatany sy ny lohany. Tsy hita intsony kosa ny masony roa. Renim-pianakaviana mpivarotra […]

Anosibe: Enin-dahy nahatrarana rongony

Nanao bemidina teny Anosibe ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5), omaly, noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’iny faritra iny. Nahitam-bokany izany satria enin-dahy indray tratra niaraka tamin’ny fonosan-drongony marobe 335. Voarohirohy ho nitazona sy nivarotra zava-mahadomelina, araka izany, ry zalahy ireto. Naharay angom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ireo […]