Mois : mars 2024

Tetikasa « Seeed »: Hanohana ny tontolon’ny fandraharahana

Manofana mpandraharaha ho an’ny asa mendrika eto Madagasikara ny tetikasa « Seeed ». Ankehitriny, miisa 85 ireo rafitra naneho ny fahavononany ka laharam-pahamehana ireo miantsehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ireo manohana ny mpandraharaha vehivavy sy manana faha­sembanana. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Antanimena, ny tetikasa « Seeed […]

Fandraharahana: hifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy ho an’ny tombontsoa amin’ny fanatanterahana ny Zlecaf. Hiara-hientana ho amin’ny fampiroboroboana ny ton­tolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Fampiro­boro­boana ny indostria sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Misanda 4 702 Ar ny 1 euro, ary 4 373 Ar ny 1 dolara, omaly. Nahazo aina kely ny sandan’ny Ariary, raha oharina ny teo aloha, satria efa nahatratra 4 900 Ar ny 1 euro sy mihoatra ny 4 500 Ar ny dolara, tamin’ny iray volana lasa (26 febroary 2024). […]

Mahajanga: Tratra ireo hazo tsy ara-dalàna

Niparitaka tanaty tambajotra, ny 20 sy 21 marsa teo, fa nisy hazo sarobidy niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nanao fanadihadiana ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao Boeny. Fantatra fa hazoala tsotra, « anakaraka », ireo hazo ireo, fa tsy voamboana na hazomainty. Misy itovizana amin’ny voamboana ny […]