Mois : mars 2024

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 2 230 dolara ny vidin’ny once ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe, ny 28,35gramma. Ity no vidina volamena ambony indrindra, raha niakatra 12% izany hatramin’ny tapaky ny volana febroary teo. Antenaina fa hiantraika amin’ny tolotra sy ny tinady ataon’ireo mpandraharaha ity vidiny vaovao ity. Mahatratra 783,6 tapitrisa […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : hojerena ny tetiandrom-pambolena

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Foibe famantarana ny toetr’andro hanitsiana ny tetiandrom-pambolena. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny Fofifa ary ny Viamo, ny sabotsy teo, tetsy Analakely. Ho jerena manokana ireo paikady […]

Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: manana harena azo trandrahina tsara i Matsiatra ambony

Mbola malalaka ny tontolon’ny fampiasam-bola ao amin’ny faritra Matsiara ambony ho fampandrosoana ny toekarena ao an-toerana. Manana harena azo trandrahina tsara ny faritra. Betsaka ireo sehatra azo trandrahina ho fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ny faritra Matsiatra ambony. Maherin’ny dimy ireo Oniversite, ahitana mpianatra mandalina ny tontolon’ny niomerika, izay manamora sahady […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Fofifa) eny Ampandrianomby ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny voka-pikarohana momba ny “Aquaponie” manambatra ny “hydroponie” sy ny “aquaculture” no nojerena nandritra izany. Miompana amin’ny fomba iray: fiompiana trondro sy fambolena legioma ao anaty fotoana iray ihany. […]

Fiovan’ny toetr’andro: nampidirina anaty fandaharam-pianarana

Nampiditra ny fiovan’ny toetr’andro tao amin’ny fandaharam-pianarana ny fandahanarasa “PAGE 1”, ny taona 2016, ho an’ny kilasy T1-T9. Natomboka tamin’ny sekoly 250 ny andrana manerana ny Nosy ary nojerena ny zavatra ilain’ny mpampianatra hampitana ny lesona sy hanamorana ny asany. Nojerena manokana ny fomba fiasa momba ny fandrosoana lovain-jafy ary […]