Rahampitso no hifarana ny hetsika “Ora iray ho an’ny tany” karakarain’ny WWF, Namako ny Tany, skoto ary Green N Kool. Manohana ny sahanasa hifampizarana, mandritra izany, ny Unicef. Tanjona ny hanohanana ny tanora misehatra amin’ny fanentanana hiarovana ny zavaboahary. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny tanora satria 1 801 amin’ny tanora 9 […]
Mois : mars 2024
Fanolanana sy firaisana mamoafady: niompanan’ny fanadihadian’ ny mpikaroka dimy mianadahy
Olana lehibe eto Madagasikara ny fanolanana sy ny firaisana mamoafady, araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Nifin’Akanga. Ny taona 2022, tamin’ny vehivavy 460 nohadihadina, 68% no niharan’ny herisetra ara-pananahana ary 14% nianjadian’ny firaisana mamoafady. Natolotra ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny valin’ ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka dimy amin’ny sehatra samihafa […]
“Nach No Gi National Championship” : Mpikatroka 167 no nisoratra anarana hatreto
Hotontosaina ny sabotsy 30 marsa izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Jiu-jitsu Breziliana “Nach No Gi”, na ny fifaninanana tsy manao kimono. Mpikatroka 167 no efa nisoratra anarana sy nahavita ny fandanjana ny sabotsy 23 marsa lasa teo. Klioba 11 kosa no handray anjara, ahitana […]
Rugby – Top 12 Mada: tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny Uscar
Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa miaramila (Bebaoty) indray ny Uscar (Kaominina Antananarivo). Niondrika tamin’ny isa mavesatra, 63 no ho 18. Raha tsiahivina, ireto ekipa roa ireto no niady ny […]
DAKA AN-JORONY: Mamalan-kira sy feo mivaralila
Mbola ambentin-dresaky ny rehetra aloha hatramin’izao ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026». Samy manana ny fahitany ny lalao nasehon’ireo mpilalao najoro sy ny endri-dalaon’ny ekipa iray manontolo ny mpijery tsirairay avy. Etsy an-kilany, misy mamalan-kira sy feo mivaralila mivezivezy ety ivelan’ny kianja. Feo toa manaitra […]




