Hifarana anio, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”. Ho an’ny Barea de Madagascar, ny fihaonana amin’i Rwanda no hamaranany izany. Hotontosaina eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, anio, ny fifanandrinana eo amin’i Madagasikara sy i Rwanda, taranja baolina kitra. Lalao firahalahiana izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tafiditra […]
Mois : mars 2024
Sombim-baovao
Hotontosaina ny 05-06-07 avrily ho avy izao, ao amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Tsiahivina fa hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny amboara amin’ny sokajy, «Séniors», lehilahy. Ankoatra izay, ny 31 marsa ho avy izao no fara-fandraisana ny fanavaozana ny […]
Basikety-Inter Lycée “All Step”: ho hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny mpikarakara
Hotanterahina manomboka ny alarobia 3 avrily izao, ny fifaninanana “Inter-Lycée All Step”, taranja basikety. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny Faabneazam-pirenena (MEN), natokana ho an’ny Lycée eto Analamanga. Tsy ny Lycée rehetra anefa no afaka mandray anjara fa ireo izay manana kianja afaka hilalaovana. Tsy maintsy mpianatra […]
Lalao Afrikanina : Tsy ampy fanomanana ny atleta malagasy
Nikatona tanteraka, ny sabotsy 23 marsa lasa teo, ny Lalao Afrikanina, andiany faha-13, notanterahina tany Accra, Ghana. Laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara. Medaly volamena 4, volafotsy 4 ary alimo 7 no azon’ ny atleta malagasy niatrika ny fifaninanana. Vokatra tokony ho tsara lavitra noho izao satria nisy ireo taranjam-panatanjahantena […]
TARATRY ny KANTO
Famoaham-boky Ikalomanga, asa soratry Ratsifandrihamanana Clarisse Andriampandry. Havoaka amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny 26 marsa, amin’ny 10 ora maraina izany. Efa voasorany tamin’izany fa tsy mbola navoaka izy io ka navoakan’ny taranaka. Afaka jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky izany amin’ny herinandro. Naseho an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny CEG […]




