Mazava ny voalazan’ny lalàna, momba ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andraikitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà solombavambahoaka, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misahana ny fifidianana”, hoy ny sekretera […]
Mois : mars 2024
Diplaomasia : miabo ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny any ivelany
Misokatra sy mivelatra hatrany amin’ireo firenena maro i Madagasikara. Mitombo miaraka amin’izay ny fiaraha-miasa amin’ireny firenena ireny, indrindra amin’ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Tontosa, omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana nanoloran’i Ji Ping, masoivoho vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, sy i Kate Chamley, masoivoho vaovaon’i Australie, ny taratasy […]
Ramakavelo Faly : “Tsy mazava ny tetiky ny mpanohitra”
“Raha raisina amin’ny stratejia politika, tsy mazava ny stratejia politikan’ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Mazava be kosa ny stratejia politikan’ny eo amin’ny fitondrana: efa voafidy ny filohan’ ny Repoblika dia mitambatra izay manohana azy; avy eo, ataony izay hahazoany ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena […]
Fifidianana depiote : Hikapoka izay manao vinany ny HCC
“Mampitandrina aho amin’ izao fifidianana ho avy izao: hikapoka mafy dia mafy izahay amin’izay manao vinany eo ka manao ny tsy fahamarinana, fangalaram-bato, fampiasana mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana.” Io ny nambaran’ny filohan’ny HCC, Florent Rakotoarisoa, taorian’ ny nandraisany ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia teny Ambohidahy, omaly, momba ny fifidianana depiote. Mba hijanonan’izany […]
Namearison Robert : “Olona hanompo ny vahoaka fa tsy ny antokony no tokony ho depiote”
Efa an-dalam-piomanana amin’izao ireo mpirotsa-kofidina ho depiote. Olona toy inona? Manana ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale)? Namearison Robert (-): Nakatona vonjimaika ny 15 febroary ny fanavaozana isan-taona ny […]




