4150,8 miliara dolara ny vola azo tamin’ny fitrandrahana nikela ny taona 2023, raha 4606,5 miliara dolara izany ny taona 2022. Manodidina ny 39 900 taonina eo koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa, raha 38 600 ny taona 2022. Nitombo ny vokatra naondrantsika saingy mitotongana ny vidiny eo amin’ny sehatra […]
Mois : mars 2024
Korea – Afrika 2024 : handray anjara i Madagasikara
Voaasa handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika 2024, any Seoul, ny 04 -05 jona, i Madagasikara. Fotoana iray hahafahan’ireo Malagasy mpandraharaha hifandray sy hifanakalo traikefa amin’ireo mpandraharaha any an-toerana. Mpiara-miasa akaiky eo amin’ny sehatry ny toekarena, efa ho 30 taona, ny roa tonta, izay nomarihina tamin’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana, ny 28 […]
100 andron’ny Filoha!
Mbola manana 33 andro! nahavita ny androatokon’ny fotoana nomen’ny Filohan’ny Repoblika hampisehoam-pahaizana ireo mpikambana amin’ny governemanta. Hatreto, tsy hita izay tena misongadina afa-tsy izay tena mahay milalao serasera. Mahay manasongadina ny zava-bitany na kely toa ny loham-panjaitra aza izany. Ny sasany na ny anarany aza tsy henoheno, ny tarehiny […]
Fadintseranana: nahazo ny loka fahaiza-mitarika ny tale jeneraly Lainkana Zafivanona
Natolotra ny tale jeneraly (DG) ny fadintseranana malagasy, ny Dr Lainkana Zafivanona, ny 14 sy ny 15 marsa teo, tany Addis Abeba Etiopia, ny loka « African Leadership Commendation Award ». Fankasitrahana natao nandritra ny lanonana ofisialy nokarakarain’ny gazety boky African Leadership Magazine, ho an’ny mpanao politika, ny mpitantana rafi-panjakana […]
TSELATRA
Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny borigadin’i Behenjy, omaly, ny jiolahy roa lahy avy nandroba vola 2 000 000 Ar, ny 18 marsa lasa teo. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ny andron’ny fanafihana saingy tafaporitsaka. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny alika mpitsongo dia, izao tra-tehaka sy voatifitra izao izy ireo. Voasambotry ny zandary […]




