Hanao ba kiraro tsy mitovy maroloko ny daholobe, anio, ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Afaka miara-miaina anaty fahasamihafana no hafatra tiana ho voizina amin’ny hetsika iraisan’ny firenena maneran-tany ka hanentanana ny Malagasy handray anjara. Hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy, hiitatra amin’ny […]
Mois : mars 2024
FBI National Academy Associates: mendrika tamin’ny fiofanana ny inspecteur Sophie
Nisongadina tamin’ny taranja hazakazaka, nitana ny laharana voalohany tamin’ireo vahiny mpianatra ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Tafita soa tamin’ny fiofanana natao tao amin’ny FBI National Academy Associates, Inc tao Quantico izy. Toeram-piofanana mpitandro filaminana anisan’ny manan-danja indrindra any Etazonia no nanaovana izany fiofanana izany. Nitana ny laharana faharoa kosa ny […]
Fikarakarana zokiolona: mandray tanora hianatra asa ny Fimibeama
Mandray olona hianatra asa momba ny fikarakarana zokiolona ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara Fimibeama. Maimaimpoana ny tolotra ho an’ ireo liana sy mazoto. Entanina manokana ny zatovo sy ny tanora hahay handray andraikitra amin’ny sehatra sosialy sy fikarakarana ireo zokiolona mba hahaizany manaja ray aman-dreny. Fanabeazana ihany koa izany […]
Hetsika « Hizara hafaliana » : hanampy ny ankizy trisomika tsy misy mpiahy
Marihina isaky ny 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Nanomboka ny taona 2017 no nanamarika izany i Madagasikara, miaraka amin’ny fikambanana Syndrom down Madagascar. Andiany fahafito no tanterahina nanomboka omaly, ary hitohy amin’ ny hetsika maromaro. Tsy aretina ny trisomie 21 fa toe-tena ary mety hiteraka zaza […]
Raharaham-pirenena: haka fanapahan-kevitra Razanamahasoa Christine
Nitondra ny tenin’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny tale kabinetrany, Ratolojanahary Maharavo (Doudou), omaly, tetsy Tsimbazaza. Nambarany fa hatao ny sabotsy izao, eny amin’ny Antenimierampirenena ny famoriana ny herivelona rehetra, hihainoan’ ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny feon’izy ireo. “Miantso ny rehetra izy ary hihaino ny hevitra sy ny vahaolana […]




