Mois : mars 2024

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo fandresena fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Motocross indray, i Mathias Plantive ny alahady lasa teo teny Ambohidava. Marihina fa tamin’ity dingana fahefatra ity, mbola i Claudio Tida ihany no laharana faharoa. Araka izany, mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany i Mathias Plantive. Afaka tapa-bolana, hotanterahina […]

Lalao ara-pirahalahiana : nanomboka omaly ny fanazaran-tenan’ny Barea

Nanatanteraka fanazaran-tena tetsy amin’ny kianja «synthetique» Mahamasina, ny Barea de Madagascar, omaly. Efa tazana nanoman-tena niaraka tamin’ireo namany ny kapiteny, Raveloson Rayan. Toraka izany ny mpilalao mila ravinahitra any La Réunion, toa an-dry Berajo, Rojo Be, Ando Pro, Baggio. Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra […]

Triathlon : nanao pao-droa i Fitia Vanilla

Nisongadina ny zava-bitan’i Malalanirina Fitia, teo amin’ny fifaninanana Triathlon, notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Fifaninanana nokarakarain’ny ECTA avy ao an-toerna. Nanao pao-droa ny tovovavy tamin’izany. Anisan’ny nahazoany fandresena ny teo amin’ny triathlon standard. 4 ora 44 mn 59 s ny fe-potoana azony, tamin’ny fanatontosana ireo taranja telo: ny […]

Lalao afrikanina: hiditra an-tsehatra, anio, ny Makis Ladies

Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena. Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy […]

TARATRY ny KANTO

IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy […]