« African Circuit U14 »: Medaly roa ho an’ ny Malagasy

Notontosaina teto Antananarivo, nanomboka ny 24 marsa hatramin’ny afakomaly ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, “leg 1 sy 2”, taranja tenisy, sokajy zandriny U14, lahy sy vavy. Nandrombaka ny medaly volafotsy teo amin’ny lalaon’olon-droa miaraka, vehivavy, Andriamaniraka Ainatia sy ilay zimbaboey, Chapepa Kuzivaishi.
Nahazo ny alimo, tamin’ny lalao ho an’olon-tokana, lehilahy, kosa Razafindrazaka Ny Avo.
Tsara ny mampahafantatra fa miisa 30 mianadahy, 16 lahy sy 14 vavy, ireo mpilalao tenisy manerana an’i Afrika nifaninana tamin’ity. Ankoatra izay, ny 15 – 20 avrily ho avy izao, any Algerie, hiatrika ny fifanintsanana Afrikanina, sokajy zandriny U16 indray isika Malagasy.
Raha tsy misy ny fiovana amin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasin’ny taranja tenisy (FMT), hisy fifaninanana nasionaly “Open Regional FMT”, amin’ity volana ity. Tsy mbola voafaritra ny toerana sy ny fotoana hanatanterahina izany.

Fitia Randria

Partager sur: