Andrey Andreev: « Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Rosia »

Manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’i Madagasikara i Rosia. Voakasik’izany avokoa ny sosialy sy toekarena ary ny lafiny ara-tafika sy fiarovana. Dinidinika tamin’ny Ambasadaoro Andrey Andreev.

Gazety Taratra (*) : Toa inona ny fivoaran’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Rosia? Lafiny inona avy no iarahana miasa?
Andrey Andreev (-) : Fifandraisana ara-pirahalahiana tsy tontan’ny ela. Niara-namakivaky lalan-tsarotra isan-karazany am-polotaona maro. Mifanaja sy tsy mifampijabaka amin’ny raharaham-pireneny ny andaniny sy ny ankilany. Nanampy ny vahoaka malagasy hiala amin’ny ziogan’ny fanjanahantany, hiaro ny fiandrianam-pireneny sy ny taniny iray tsy mivaky ary hizotra amin’ny fivoaram-panjakana ny Firai­sana Sovietika. Mpanohy izany lalana nizorana izany i Rosia, ary mbola manamafy izany.
Mitovy fijery ny tany roa tonta. Mazava ny mahatonga an’i Madagasikara tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny ady any Ukraine. Torak’izany, manohana an’i Madagasikara mba hiverenan’ny fiandrianam-pireneny amin’ireo Nosy Malagasy ao amin’ny Oseana Indiana araka ny fanapahana noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana i Rosia.
Ankoatra izay, manolotra vatsim-pianarana 40 isan-taona ho an’ny Malagasy mpianatra i Rosia. Maherin’ny dimy arivo ny efa nisitraka izany hatramin’ny taona 1972. Manolotra fanampiana ho fiahiana ny maha olona koa izahay. Tamin’ny vola aogositra, taona 2023, zava-pihinana milanja 322,5 taonina no nomenay hamatsiana ara-tsakafo ny mpianatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Misandrahaka amin’ny lafiny ara-barotra sy toekarena ny fiaraha-miasa: toy ny amin’ny sehatry ny jono, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fambolena, ny angovo, ny fizahantany.

*Momba ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny ady any Ukraine: ilay fanambarana vao tsy ela izay, indrindra mahakasika ny antsoina hoe “fetra” sy “faritra mena” dia mampanahy ny mety hiitaran’ny ady. Tena mety hiitatra tokoa ve ny ady telo taona aorian’ny niantombohany, ary inona no hevitry ny fanjakana rosiana manoloana izany?
– Mitohy ny fifanandrinan’i Rosia sy ny Tandrefana. Ireo tany tandrefana izay mandefa fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohana any Kiev. Mandefa fanampiana an’arivony tapitrisa dolara maro, dia manantena mandrakariva ny faharesen’i Rosia eny an-tanim-piadiana. Manoloana izany, ireo nasionalista okrainiana dia mampirisika ny fanaovana asa fampihorohoroana any amin’ny faritry ny tanin’i Rosia, ka ny teratany tsy manan-tsiny rosiana no iharan’izany.
Tsipihiko etoana, vonona hifampiraharaha momba ny fandrindrana amim-pilaminana ny olana mahakasika an’i Ukraine i Rosia saingy tsy maintsy manaja ny fitovian-jo.
Miaraka amin’ireo firenena miombon-kevitra aminay sy ireo sakaiza avy amin’ny faritra Atsimo mitambatra, anisan’izany i Afrika, dia hanohy ny ezaka izahay hananganana rafi-piarahamonina marolafy sady ara-drariny, mifototra amin’ny fitovian-jo hentitra ho an’ny fanjakana rehetra. Amin-kafaliam-po tanteraka no hanamarihanay fa na misy aza ny fanoherana sy ny tsindry avy amin’ny tany tandrefana dia mitombo hatrany ny fanohanana maneran-tany izany ezakay izany. Anisan’ny mpanohana i Madagasikara.

* Vao voafidy ho filoham-pirenena ho an’ny fe-potoana fanindiminy indray ny filoha Vladimir Poutine, nahazo vato mihoatra ny 87%. Misy amin’ireo mpitarika tandrefana no mitsikera izany vokatra izany. Ahoana no fiheveranao izany vaovao izany?
– Nahazo fandresena tsy azo laizina marina ny filoha Poutine tamin’ilay fifidianana teo. Tsy vaovao aminay ny fanehoan’ny tany tandrefana ny fanahiany mahakasika ny fizotra sy ny voka-pifidianana. Ny zava-misy, mahatezitra mafy sady manirikiry fatratra an-dry zareo ny fanohanan’ny vahoaka rosiana, saika manontolo mihitsy, ny filoha Poutine. Ho an-dry zareo mantsy dia mbola faharesena indray manoloana ny ezaka imasoany hiaro ny tsindry ataony amin’ny raharaha maneran-tany iny.
Tena tsy mampihontsona anay ny fihevitr’ireo tsy mankasitraka anay. Ny zava-dehibe aminay dia hita taratra amin’ny fijery tsy miangatra tamin’ iny fifidianana iny ny sitrapon’ny vahoaka rosiana, izay manamafy ny fiezahany hiara-mandravona ireo olana miseho ankehitriny.

Partager sur: