JJB- Mada Nach No Gi : Klioba mendrika ny Checkmat

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Jiu-jitsu Breziliana, “Nach No Gi”. Klioba mendrika indrindra ny Checkmat, nahazo medaly volamena 15, volafotsy 8 ary alimo 8. Ankoatra ny klioba mendrika, nisy koa ny teknisianina mendrika nomena loka, ka nahazo izany, teo amin’ny sokajy vehivavy, i Nofy avy amin’ny Checkmat. Azon’i Fifaliana avy amin’ny One tribe kosa ny teo amin’ny lehilahy ary i Majuel avy amin’ny Checkmat no nandrombaka izany teo amin’ny ankizy. Tsiahivina, 167 ny mpikatroka nisoratra anarana tamin’ity fifaninanana ity. 152 kosa no tonga nilanja sy nanao ny Contre pesée. Klioba 11 nandray anjara, ady tsotra 134 no nitranga ary ady “absolute” 5. Nisongadina tanteraka i Nofy satria mbola izy hatrany no nahazo ny fandresena tamin’ny “combat absolute”, vehivavy, raha toa ka norombahin’i Andy izany teo amin’ny lehilahy. Voafidy nahazo ny “fair play” kosa i Laiea. Nahafa-po ny fifaninanana nasionaly, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana. Mbola maro ny fandaharam-potoana miandry ny federasiona. Anisan’ny goavana amin’izany ny fandraisana ilay tompondaka maneran-tany, i Royce Gracie, ny 26 mey ho avy izao. Ny Telozoro Events no mikarakara ity fiofanana goavana ity eto an-toerana amin’izao fotoana izao manomana izany. Tsy nanadino nisaotra ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo mpanohana maro ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana.

Mi.Raz

Partager sur: