SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina teny amin ‘ny kianja Makis Andohatapenaka, ny zoma lasa teo, ny fitsapana an-tsoratra sy ara-batana ho an’ireo mpitsara miisa 35 mianadahy. Natao Hanatsarana ny kalitao eo amin’ny lafin’ny fitsarana mandritra ny fifaninanana « XXL Top 12 » izany. Tsiahivina fa ny fifanintsanana dia hitohy amin’ny 7 avrily ho avy izao.

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny SRK Karting Imerintsiatosika, ny fifaninanana Moto scooter Slalom, dingana faharoa. Tsiahivina fa ny klioban’ny Scoot Racing Club( SRC ) no mikarakara ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Nifarana teo amin’ny dingan’ny savaranonando faharoan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”, taranja baolina kitra, ny dian’ny klioba Jet Kintana. Lavon’ny Requin Bleu tamin’ny isa 4 no ho 2 ity ekipa avy any Itasy ity ny zoma 29 marsa teo, teny Ambohidratrimo.

Tontosa afakomaly, tao amin’ny Kianja Velodromes Marseille, ny fihaonan’ny Paris Saint Germain sy ny Olympique de Marseille, fihaonana tafiditra amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, taranja baolina kitra. Lavon’ny PSG 2 no ho 0 ny OM tamin’ity fifanandrinana ity.

Partager sur: