Taranja mekanika: nahatratra iray alina ireo nitsidika ny “Motor show 2024”

Nahavita dingana goavana ny Magic, mpikarakara ny “Motor show 2024”. Fampirantiana ireo fiara tranainy sy hiaka farany eto Madagasikara. An’aliny ireo mpitsidika tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo.

Fahombiazana ny andiany voalohany amin’ny “Motor show 2024”. He­tsika nampirantiana ireo fiara sy kodiaran-droa tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 30 sy ny alahady 31 marsa lasa teo. Tratra ny tanjona raha ny nambaran-dRa­naivo Tojo, anisan’ireo mpikarakara avy ao amin’ny Magic. Nahatratra iray alina ireo mpitsidika tonga tao an-toerana nandritra ny seho, nahitana ankizy hatramin’ny olon-dehibe 80 taona, miandahy miambavy. Na goavana aza ny zavatra natao, tsy sarotra ny nanatontosa azy satria nifanohana sy niray hina ny rehetra.
Nomarihiny fa nisy ny olona nisoloky nilaza fa tompon’ny hetsika saingy tsy nanamaloka ny fizotry ny hetsika izany. Tsiahivina fa nanangonana vola hanampiana hitsaboana ireo ankizy marary eny amin’ny hopitaly ny “Motor show 2024”.
140 ny fiara, 30 ny moto ary 100 ireo fiarakely, “miniatures”, naranty ka teo ireo efa tranainy raha nisy koa ny hiaka farany, amin’ny marika samihafa toa ny Mustang, ny Porsche, ny Mercedes, ny Peugeot sy ny hafa. Anisan’ny nahasarika ny mpitsidika maro ny nijery sy nahalala ny amin’ ny fiara Lamborghini.
Hopitaly telo no hisitraka ny vola azo tamin’ity hetsika ity, ny ao amin’ny HJRA, ny eny Ambohimiandra ary ny hopitalin’ny zaza eny Tsa­ra­lalana. Mba hialana amin’ny ahiahy sy ny hisian’ny fangaraharana, hampahafantarina ny mpanao gazety ny vola rehetra azo mialoha ny hizarana izany amin’ity herinandro ity. Nampanantena i Tojo fa hisy ny andiany faharoa ary hisokatra bebe kokoa hatrany amin’ny faritra. “Tsy hireharehana ny kely vita fa hanohanana ny mpiara-belona”, hoy izy.

Torcelin

Partager sur: