Hafatry ny filohan’ny FJKM : “Tsy tompon’ny teny farany ny ratsy”

Nampita ny hafatra Paka ny eo anivon’ny FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ny tantaran’i Jesoa, namela ny fitiavana vonon-kiady tsy hamela antsika ho faty fa naleony izy no maty, araka ny nambarany. “Fitiavana nandresy ny fahafatesana izany. Velona ny fanantenantsika… Tsy ho tompon’ny teny farany ny ratsy”, hoy izy. Nanteriny fa herinandro nahamenatra iny lasa iny satria novonoina ilay lehihaly nanasoa sy namoky hazandrano dimy sy mofo roa ary nanasitrana ny marary… Mora norebirebena sy azo fahanan-dalitra ary tsy mahalala ny hahafaty azy ireo vahoaka tamin’izany, araka ny nambarany. Teo koa ilay mpi­tsara, i Pilato, tsy nanafina ny fahalovana sy maty eritreritra ary kanosa tsy sahy nijoro amin’ny fahamarinana. “Nanasa tanana nefa nihoson-dra”, hoy izy. Note­ba­hiny koa ny fahambanian-tsain’ireo miaramila Roma­nina, nanaiky ny baiko tsy ara-drariny sy ny tombontsoa kely azo tamin’ny fizarana fitafiana. Nandrora sy nanao herisetra ary azo novidiana vola ka nanafina ny marina amin’ny nitsanganan’i Jesoa ho velona. Na izany aza, nambarany fa tsy adinon’ Andriamanitra isika na eto amin’ny tany feno fanamparam-pahefana anjakan’ny fahalovana sy ny tsy fahamarinana aza. Nandresy ny ratsy ka nandihy. “Hisy farany anefa ny zava-drehetra ary mbola hiposaka ny fandresen’ny fahamarinana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: