Lapan’i tsimbazaza: tsy azo anaovana hetsika politika

Tsy azo hanaovana hetsika politika intsony eny Tsimbazaza. Ho arahi-maso akaiky izay mivezivezy eny amin’ny Antenimerampirenena.

“Tsy azo hanaovana he­tsika politika intsony eto amin’ny Anteni­mi­eram­pirenena. Izay no fe­pe­tra noraisina. Tsy mandray ankoatra ny fanaovan-tsakafo ny ao amin’ny “cafétaria”. Tsy mandray olon-kafa, na mpanao politika na valandresaka ho an’ny mpanao gazety.” Io ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimi­erampirenena, faritanin’Anta­na­na­rivo, Rahol­dina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny nanalana ny filohan’ny Antenimieram­pirenena teo aloha, Razanama­hasoa Christine. Raha misy depiote mitarika olona hikorontana na hanongam-panjakana, tsy ao anatin’ny tombon-jo parlemantera intsony izany. Ha­rahi-maso akaiky izay mifamezivezy eny. “Hisy ny fisamborana raha mbola misy manakorontana eto”, hoy izy. Mila filaminana ny firenena ary mila tony ny vahoaka amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Eto amin’ny faritanin’Antana­na­rivo ny Antenimierampire­nena. Ma­nomboka izao, averina amin’
ny hasiny amin’izay ny Anteni­mi­erampirenena, izay gaboraraka nandritra ny taona maromaro.
“Manana ny fitsipika anaty mifehy azy ny Antenimieram­pirenena. Rehefa tsy eo ny fi­lo­han’ny Antenimierampi­re­ne­na, ny iray amin’ireo filoha lefitra no misolo toerana vonjimika azy”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny Antenimierampi­renena, Randriamaha­fan­jary Calvin, ny amin’ny fitantanan-draharaha eny an-toerana. Ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra izany, araka ny And. 17 amin’ny fitsipika anatiny. Rehefa fantatra izay filoha vonjimaika izay, izy no mampiantso ny fivorian’ny birao maharitra. Tsy manana fahefana feno ny mpisolo toerana vonjimaika, fa ny fampandehanan-draharaha andavanandro no azony atao.

R. Nd.

Partager sur: