“Aoka mba ho matotra amin’izay ny fanaovana politika eto Madagasikara: rehefa mpanohitra dia mpanohitra, rehefa mpomba dia mpomba. Fa tsy hoe sady mpomba no misabaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor. Teniny nanoloana ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, tsy ho solombavambahoaka intsony, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Manana fitsipika ifampifehezana ny antoko. Tsy zava-baovao izany. Toy ny hoe mangina ny lalàna. Mba lesona amin’ny fivadibadihana koa izay. Hajaina izay nanolotra na nanendry ny tena, fa tsy hoe rehefa misy zavatra tsy tiana dia mivadika.
“Manana ny fotoany avokoa ny zava-drehetra”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe fisian’ ny solombavambahoaka nivadika na niala tamin’ny vondrona politika nahavoafidy azy nefa tsy mbola nampiharana lalàna amin’ny fanalana azy tamin’izany. Aoka tsy ho zatran’ny lalan-dririnina, fa mihamiova ny zava-drehetra. Tsy hoe mitsoka mianatsimo hatrany ny rivotra, fa mba mitsoka mianavaratra koa. Misy etika ny fitondran-tena amin’ny fanaovana politika. Tokony ho efa lehibe amin’izay i Madagasikara amin’ny fanaovana politika, fa tsy hoe zazakely lava izao: ilomanomano eto avokoa. Hiova akanjo impiry?
R. Nd.




